Bienvenue sur le site de la paroisse FPMA Ivry Famonjena
Tongasoa eto amin'ny tranonkalan'ny tafo FPMA Ivry Famonjena
FPMA Ivry Famonjena
Ry Havana,
Amin-kafaliana no hiarahabana anao izay mamangy ny tranonkalan’ny Tafo FPMA Ivry Famonjena.
Ampiasaina avokoa ny fitaovana rehetra ahafahana mampandroso ny Fanjakan’Andriamanitra koa mandray anjara amin’izany ny fiangonana.
Eto no hahafahanao mahalala ny vaovao rehetra momba ny Fiangonana toy ny adiresin’ny toerana hivavahana, ny tompon’andraikitra rehetra dia ny Mpitandrina, ny Biraon’ny fiangonana sy ireo diakona miasa eto. Ao koa ireo sampana sivy (Vehivavy, Lehilahy, Tanora, Sekoly Alahady, Tily, Antoko Mpihira, Vokovoko Manga, Fifohazana, Mozika Zava-maneno) izay inoana fa misy na dia iray amin’ireo aza hahafahanao mampiasa ny talenta izay nomen’ny Tompo anao hampandrosoana ny Fanjakany.
Ao koa ireo sary sy horonan-tsary izay hahitanao taratra ny fiainan’ny fiangonana.
Ary ao indrindra koa ireo “Mana isan’andro” dia ny Tenin’Andriamanitra zaraina ho sakafo mahavelona araka ny perikopa FPMA, satria “Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona ; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona”(Deot 8:3).
Koa mirary anao hahita ny “tsara indrindra” amin’izao famangianao izao, ary ny tena faniriana dia ny hamangianao ny fiangonana satria ny fiangonana dia “tsy hafa ity, fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra” (Gen 28:17).
Ho aminao anie ny Fiadanana avy amin’i Jesosy Kristy Tompo !
RAMANIVOSOA Elie
Filohan’ny Tafo FPMA Ivry Famonjena